1 Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo. Tonon-kira. Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy;

2 Mba ho fantatra et? ambonin'ny tany ny lalanao sy ny famonjenao any amin'ny jentilisa rehetra.

3 Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.

4 Hifaly sy hihoby ny firenentsamy hafa, Satria mitsara marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy hafa ambonin'ny tany dia entinao;

5 Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.

6 Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.

7 Mitahy antsika Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.
